By Andry Rakotomavo
Confit de canard
CONFIT DE CANARD
ZAVATRA ILAINA :
Ganagana matavy
vaingan-tsira
persila
FIKARAKARANA AZY:
-Teteho ny gana matavy 1 tsy tanora loatra, esory ny taviny rehetra, ny hodiny avela eny ihany.
-Teteho madinika ireo taviny ireo, taneho anaty lapoaly na vilany hitsihika ny menaka, sady mahazo karatò sy menaka ianao eto. Atokany ny menaka, esorina ny karatò.
-Ireo hena kosa alona anaty sira vaingany betsaka, somary kosehiko amin'ny hena mihitsy ny sira, avelao hilona 2 ora (ny an'ny vazaha ataony 12 ora hatramin'ny24 ora fa be loatra izany amiko, lasa mangidy sira ny laoka avy eo).
-Sasao ilay hena hiala ny vaingatsira, fafao hiala tsara ny rano.
-Hafanao ilay menaka etsy ambony (azo atao koa ny mampiasa menaka gisa), arotsahy ao ireo hena mitsihika, taneho amin'ny afo malefaka dia malefaka mandritra ny 2 ora sy sasany.
-Tapitra ny 2 ora sasany dia alaivo ireo hena ary endaso ambony lapoaly mamay, ny hodiny ambany, avadiho. Sady miala ny menaka no ho menafify ny hena.
-Alaivo ataovy ambony lovia amin'izay. Raraho persil.
Mazotoa homana.
NB : Sakafo fihinana miaraka amin'ny ovy izy ity,na koa vary ihany
Mazotoa
Nahandron'i Bonbon Mamibe