By Andry Rakotomavo
Sucre vanillé
SUCRE VANILLE' (vita an-trano)
Madagasikara no manana lavanila tsara indrindra eran-tany nefa dia ny vahiny no mahay mampiasa izany kokoa sy mamadika izany ho vola be toy itony "sucre vanillé" efa vita itony nefa sady mety mifangaro zavatra hafa.
Koa indro zaraina am-pifaliana ny fanaovana izany tsotra indrindra ao an-trano
ZAVATRA ILAINA
Siramamy mena 1 kg
lavanila 200g ilay efa maina tao antrano tao
FIKARAKARANA AZY
Tapatapahany ny lavanila atao anaty "robot" totohina ho lasa toy ny vovoka
Afangaro amin'ny siramamy ny lavanila voatoto dia vita
Atao anaty bocal fitaratra ary azo asiana satroka lamba dia fatorana rofia asina tapaka lavanila ihany koa
Azo atao fanomezanafa sady tsara fofona, tsara bika, azo ampiasaina raha hanao mofomamy nefa koa na hisotroana dité sns aza
Am-pitiavana foana
Natolotr'i Niry Rafi