By Andry Rakotomavo
Vary sy safran
Submitted by andry on Tue, 02/14/2017 - 23:09
910
SAKAFO FENO : VARY SY SAFRAN - RIZ AU SAFRAN
ZAVATRA ILAINA:
Tongolo be
Vary masaka
Dobera
Menaka oliva
1 Bouillon de legume (jumbo ... raha tiana)
dipoavatra sy sira
Safran vovony.
Rano iray vera
Fromazy parmesan voakiky
FIKARAKARANA AZY
Atao anaty lapoaly ny dobera sy menaka oliva kely,
Arotsaka ny tongolo voatetika madinika,
Arotsaka ny rano iray vera sy "bouillon",
Arotsaka ny safran, ka rehefa lasa mavo ilay rony vao arotsaka ny vary,
Afangaro tsara hahazo loko daholo
Asiana dipoavatra voatoto,
Aroso ka eo ambony vilia vao rarahana fromazy parmesan voakiky.
Mazotoa o
Nahandron'i Tiana Parlato
Catégorie: