By Andry Rakotomavo
Bajia voanemba
Miarahaba am-pifaliana
Bajia voanemba indray no aroso ho antsika eto, tsy misy fatra moa fa araka ny tiana ampiasaiana avokoa.
Efa misy karazany maro ihany koa ato amin'ny vohikala.
BAJIA VOANEMBA
ZAVATRA ILAINA:
voanemba,
sira,
poarao (poireaux),
sakamalaho
tongolo gasy
carry
dipoavatra
menaka hanendasana azy
FIKARAKARANA AZY:
- aloana rano mandritra ny alina ny voanemba.
- totohina amin'izay fitaovana misy ao aminao na laona na fitotoan-kena na lamasina "robot"
- Tetehina ilay poarao sy tongolo gasy ary sakamalaho dia asiana carry sy dipoavatra ary sira
- angaro aminilay voanemba voatoto
- volavolaina araka izay endriny tianao na boribory fisaka, na lavalava.
- endasina
Fanamarihana:
afaka asiana : atody, lafarine kely, na toto-kena koa arakarak'izay zava misy sy tiana.
mazotoa indray
Nahandro sy sarin'i Femi Andr'Ian 04.11.2020