By Andry Rakotomavo
Cake au carambar
Cake au carambar
Mitovy amin' ny fanaovana cake ihany saingy nampiana vatomamy carambar
ZAVATRA ILAINA:
160 g lafarinina
3 atody
50 g dobera
1/2 lalovay
100ml ronono
80g siramamy mena
20 carambar izay tiana ny tsirony (caramel, fraise, bubble gum....)
Sira iray tsongo
FIKARAKARANA
Afangaro ny lafarinina, atody, siramamy, lalovay,
Atao anaty casserole ny ronono, dobera, 20 carambars
Rehefa mitsonika tsara ny carambar esorina amin' ny afo
Afangaro daholo amin' izay ireo rehetra ireo
Osorana dobera ny lasitra, asiana lafarinina kely ary arotsaka anaty lasitra ny fangaro
FAHANDRO AZY
Hafanaina mialoha ny lafaoro
Four vazaha: 180 dgr, temps de cuisson: 40-50mn!!! atao ampovoany tsara, ny "grilles" ambony sy ambany no arehitra amin'izay miparitaka tsara ny hafanàna.
Four gasy hatrany : 20 mn fa milamila jerena matetika anefa
lafaoro gasy: izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony .
mazotoa o
dia alefa anaty four mandritra ny 40 Na 50 mn
Nahandron'i Lysiane NauÐon