By Andry Rakotomavo
Cookies au citron et vanille
GOUTER NA SAKAFO MARAINA: COOKIES AU CITRON ET VANILLE
ZAVATRA ILAINA
nahavita 30
- 200g dibera efa nalemy
-200g siramamy
-1 atody
-400g lafarina
- ranomboasary makirana 1 sy hodiny voakiky
-1 sotrokely lalovay simika (levure chimique)
- lavanila (ranony raha tiana)
FIKARAKARANA AZY
Kapohina ny dibera sy siramamy hifangaro, arotsaka ny atody, tohizana kapohana, asiana ranomboasary makirana sy hodiny voakiky, arotsaka ny lalovay ary farany ny lafarina, afangaro tsara daholo dia mahazo boribory lehibe.
Asiana menaka ny lasitra, rarahana lafarina kely,
Maka paty kely dia volavolaina boribory maromaro, dia fisahina amin'ny tanana, de atao ambony lasitra
Andrahoina anaty lafaoro nafanaina mialoha, 180* mandritra ny 20 minitra eo ho eo, mila jerijerena fa araky ny lafaoro ny fahamasahany
Azo tehirizina anaty boaty misarona tsara koa ilay izy
Nahandro sy sarin'i Stella Yolande Hokowa - 20/12/17