By Andry Rakotomavo
Cuisses dame
Submitted by andry on Fri, 10/30/2015 - 01:02
377
Mini - cuisses de dame parfumées à la cannelle
toy ny mofo baolina izy ity
Zavatra ilaina:
Lafarina 500g
Atody 4
Siramamy 150g
menaka 4 sotro fihinanana
Ronono 5 sotro fihinanana
Vovoka kanela 2 sotrokely
Lalovay simika 2 sotrokely
(Menaka 1/4l anendasana )
Fikarakarana azy:
1- Kapohina ny atody sy siramamy mandrapitombony sy miova fotsy ny lokony
2- Alefa ny menaka sy ronono dia afangaro tsara
3- Afangaro ny lafarina, vovoka kanela sy lalovay dia araraka tsikelikely sady afangaro mafimafy mandrapahazoana "boule de pate" anakiray.
4- Rehefa mitambatra tsara ilay "boule de pate" dia avela mipetraka kely adiny 1
5- Tapatapahana dia volavolaina amin'ny tanana amin'izay
6- Endasina amin'ny menaka mafana
Mazotoa o
de Tsito'Salohy Ravelomanantsoa
Ingrédients:
Catégorie: