By Andry Rakotomavo
Gisa
Submitted by andry on Tue, 12/26/2017 - 11:06
1093
LAOKA: GISA RITRA
ZAVATRA ILAINA :
Gisa
tongolo gasy voakiky
sakamalaho voakiky
divay fotsy (vin blanc sec)
dipoavatra tanora (poivre vert)
siramamy 1 sotro kely
sira
menaka
FIKARAKARANA
rehefa voadio sy voatetika ny gisa dia endasindasina kely ao anaty vilany misy menaka kely fotsiny,
rehefa mendimendy dia arotsaka ny tongolo gasy sy ny sakamalaho ary ny siramamy, rehefa mifangaro tsara dia asina rano izay mahamasaka azy
rehefa akaiky ho masaka dia arotsaka ny divay fotsy sy ny dipoavatra tanora
avela hiketrika kely hifandray ny tsiro, esorina araka izay tiana na atao misy saosisaosy na ritra tsara
mazotoa
Nahandro sy sarin'i Rasoa Tia Mahandro 30.11.17
Ingrédients:
Catégorie: