By Andry Rakotomavo
Lasary poireau
Submitted by Andry Mamina on Tue, 05/24/2016 - 00:17
668
"Salade de poireau"
Zavatra ilaina :
"poireaux" izay ampy
voatabia kely (hanome loko)
menaka oliva
sira
voasary makirana
Fikarakarana azy :
- sasana sy tetehana ny "poireau"
- Atao anaty vilany misy rano mangotraka tsy asiana sira ny "poireau", 5 minitra ihany, dia tantavanina
- tsy ariana ilay rano fa atao fisotro na hanondrahana voninkazo na handrahoana vary
- Asiana saosy vinaingitra izay tiana ( ny ahy menaka oliva, sira ary ranom-boasary makirana fotsiny) sy voatabia hanome loko.
Mazotoa o !
Catégorie: