By Andry Rakotomavo
Mofo akondro mikarepoka
Miarahaba ny mpanaraka ny Mamina
Am-pifaliana hatrany no hizarana ireo nahandro atolotry ny Malagasy eran-tany
Andramo ary fa hafa kely ity paty fanaovana mofo akondro ity izay mikarepoka ivelany ary malemy tsara ny anatiny
MOFO AKONDRO
AKORA ILAINA
-Famarana = Kaopy fisotroana dite = kd (1kd = 236ml = 1 cup)
-Akondro masaka 8 eo ho eo
-Lafarina 4kd
-Rano 2kd
-Lalovay fanaovana mofo 1 fonosana (toy ny taim-bibikely na hoe "levure boulangère"
-Lalovay simika 1 sotrokely (levure chimique)
-Menaka 1/2 kd
-Siramamy 1/2 kd
-Vovodronono 1/2 kd
-Menaka fanendasana mandifotra azy
FIKARAKARANA AZY:
- afangaro ny lafarina 2kd sy ny lalovay simika
- afangaro tsara ny rano matimaty 2kd, siramamy sy ny lalovaina mofo ary arotsaka anatin'ilay lafarina eo ambony
- afangaro tsara ary avela hilona 10mn, paty matsora no azo eto. Hita fa mitombo mandroatra ilay izy.
- tapitra ny 10mn dia arotsaka ny lafarina 2kd ambiny, vovodronono ary menaka 1/2kd, afangaroy tsara fa hahazo rihitra matevina be toy ny amin'ny sary, avelao hilona 5mn, rehefa tapitra izay dia vonona ilay paty.
- didina misompirana anaky 4 ny akondro 1 dia arotsaka anaty paty ary endasina amin'ny menaka mafana mandifotra azy.
FANAMARIHANA:
Ny siramamy dia azo atao araka izay tiana
Azo ampiasaina amin'ny zavatra masira koa ity paty ity : ohatra mofo sakay ...
Mazotoa homana tompoko
Nahandro sy sarin'i Bonbon Mamibe - 05.03.2018