By Andry Rakotomavo
Mofo baolina surprise
Miarahaba indray ny mpanaraka ny Mamina
zaraina am-pifaliana ity fa tena tian'ny ankizy, mora atao fa indrindra ny surprise
GOUTER na SAKAFO MARAINA: MOFO BAOLINA SURPRISE
ZAVATRA ILAINA
Lafarina 500g
Siramamy 10 sotro fihinanana na izay tiana
atody 5
dibera efa miempo10 sotro fihinanana
lalovay 1/2 fonosana
Sokolà :noir, blanc na izay tiana
FIKARAKARANA AZY
Kapohana miaraka ny atody sy siramamy rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ny dibera miempo (natao " bain marie": atao ao anaty vilany misy rano mangatsiaka ny lasitra misy ny dibera dia avela hiempo. )
Rehefa vita izay dia arotsaka ny lafarina sy lalovay ary tsy atao malemy be na mafy be fa atao antonony ny rihatra.
Asiana menaka ny tanana dia raisina ny paty ary somary fisahana amin'ny tanana dia fonosona ao ny sokolà iray na "noir" na "blanc"-"chocolat en morceau" dia fonosina tsara
Hafanaina ny menaka mandifotra azy dia endasina , fa tsy atao mamay be ny menaka ary atao afo malefaka ihany koa
Avela hitsika tsara ny menaka
Aroso, akitsapa moa izy ity raha tsy lazaina hoe inona no sokolà ao anatiny
Mazotoa ary o
Nahandron'i Brandy Abigaëlla Morganem