By Andry Rakotomavo
Mofo laisoa
Submitted by andry on Sat, 02/21/2015 - 02:09
116
zavatra ilaina:
laisoa, farine 250g , voatabia 1, oignons 2 , levure 1 sotro, sira, rano kely ary menaka hanendasana azy.
Fikarakarana azy:
- tetehana madinidinika ny laisoa,
- maka bol dia atao ao ny farine, voatabia, levre, oignons ary ny laisoa asiana sira sy rano matimaty kely
- Tsy atao be rano loatra ary tsy atao matsora be koa anefa.
- Tsy avela hilona elabe fa manjary mandany menaka fa 30mn monja dia ampy.
- Endasina amin'ny menaka mafana
Mazotoa homana o!
Marihiko fa nilela-molotra daholo ireo rehetra nihinana azy
de Ny Riana
Catégorie: