By Andry Rakotomavo
Mofo laisoa 2
MOFO LAISOA indray ary ô.
Zavatra ilaina
Nozaraiko 4 ilay laisoa 1 iny dia ilay ampahefany no nataoko.
1/4 laisoa
Voatabia 2
lafarina (tsy misy fatrany fa arakaraky ny olona no maha betsaka na kely azy)
Sira sy dipoavatra ary rano
Menaka fanendasana
Fikarakarana azy:
Tetehana majinika lavalava ohatry manao lasary ny laisoa. Avy eo ampangotrahana (ny ahy nataoko vapeur fa afaka atao manta koa ), andrasana mangatsika.
Tetehana majinika ny voatabia.
Afangaro ny laisoa ny voatabia ny farine ny sira sy ny poivre. Afangaro tsara ireo. Rehefa mifangaro tsara ireo dia asina rano tsikelikely ka rehefa hita fa tsy marihitra be no tsy matsora be dia vita izy izay.
Endasina amin'ny menaka mandifotra azy ary mafana tsara , rehefa vita dia apetraka amin'ny essui tout na emballage hitsika ny menaka
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.
de Soa Bonheur Bourmance