By Andry Rakotomavo
Mofo legioma
Submitted by andry on Sat, 02/21/2015 - 02:22
117
Mofo legioma - mofo anana
zavatra ilaina:
laisoa (chou doux),
karaoty voakiky
persil,
tongolo mena,
voatabia
tongolo lay,
sira
dipoavatra,
atody,
lafarina,
menaka fanendasana
Fikarakarana azy:
- Tetehina ny laisoa (chou doux), afangaro amin'ny karaoty voakiky, persil, tongolo mena, voatabia sy tongolo lay voatetika dia asiana sira sy dipoavatra.
- maka bol dia manao "pâte à beignet" tsotsotra :atody 3 sy lafarina 3 sotro lehibe, dia asiana sira sy dipoavatra koa
- hafanaina ny lapoaly dia asiana menaka dia endasina , alaina amin'ny sotro ary 2-3 minitra fotsiny dia avadika dia toy izay koa ny fahandroana azy. Eo amin'ny 5 minitra raha ela indrindra fa dia nikarepodrepoka tsara.
mazotoa o
de Caro Lia
Catégorie: