By Andry Rakotomavo
Mofomamy akondro sy vovo-katsaka
MOFOMAMY AKONDRO SY VOVO-KATSAKA
ZAVATRA ILAINA :
Lafarina 150g
Vovo-katsaka 150g
Atody 3
Siramamy 2sotro
Yaourt 1
Menaka 3sotro
Akondro 4
FIKARAKARANA :
1-homanina ny lasitra : osorana menaka sy fafazana lafarina dia potserina ny akondro
2-kapohana amin'ny "fouet" hifangaro tsara (raha tsy misy dia sotro rovitra fa elaela ) ny atody sy siramamy, avela ho fotsy dia alefa ny menaka sy yaourt
3-afangaro ny akondro sy lafarina sy vovo-katsaka dia alefa ao, ary aroina ifangaro tsara foana
4-Alefa anaty lasitra dia ahandroina 35minitra amin'ny lafaoro 180°C efa nafanaina mialoha na atao anaty vilany lehibe mitaingina ny lasitra dia avadika ny sarom-bilany ary asiana afo koa .afaka 40minitra eo masaka
Azo atao bain marie koa fa tsy maimay n'y tampony
Nahandron'i Tsito'Salohy Ravelomanantsoa