By Andry Rakotomavo
Mofomamy mananasy1
Gateau à l'ananas - mofomamy mananasy
Zavatra ilaina
Atody 10
Lafarinina 300g
Siramamy 300g
Mananasy 1
Siramamy 250g
Vinaingitra 1 sotro fihinana
Fikarakarana azy :
Kapohana hiakatra ny tapotsin'atody, dia rehefa miakatra dia arotsaka ny siramamy dia kapohana ihany. Arotsaka ny lafarinina.
Manao caramel: siramamy 250g sy rano 3 sotro ary vinaigre 1 sotro fihinana: atao ambony afo malefaka
Rehefa vita ny caramel dia arotsaka ao anaty moule, dia arotsaka ny mananasy voatetika alahatra tsara.
Arotsaka ny paty.
Atao masakevoka (à la vapeur) : izany hoe mampangotraka rano anaty vilany be, avy eo apetraka eo ambony ilay lasitra misy an'ilay paty dia saromana ny vilany ka ilay entona mafana iny izany no manamasaka azy mandritra ny ora iray eo ho eo.
Azo soloina izay voankazo tiana ny mananasy
Mazotoa o
nahandron'i Soa Mahaliana