By Andry Rakotomavo
Mofomamy mangahazo sy voanio
Miarahaba o
GOUTER NA SAKAFO MARAINA : GATEAU MANIOC AU COCO
Gâteau mangahazo vao mafana no atolotra am-pitiavana
ZAVATRA ILAINA
Mangahazo lehibe 3
Siramamy izay mahamamy azy
rononom-boanio : "Lait de coco" 400ml
Kikina voanio kely
Voasary makiarana 1
Siramamy hatao tamberina na hoe "caramel" (tsy dia nivoaka loatra ny "caramel" teto fa nitete tao ambany lasitra)
Rano kely
Dibera kely
FIKARAKARANA AZY
Kikisana ny mangahazo avy eo afangaro ao ny rononom-boanio sy kikina voanio ary siramamy.
Atambatra ny siramamy kely sy rano kely sy ranonmboasary makirana dia hafanaina ho lasa "caramel" avy eo arotsaka ao anaty lasitra (ny sisin'ny lalitra dia asina dibera kely).
Arotsaka anaty lasitra amin'izay ilay mangahazo mifangaro rononom-boanio sns etsy ambony.
Ampidirina lafôro 180° mandritra ny ora iray (1h).
Rehefa mangatsiaka dia avoaka anaty lasitra.
Mazotoa o
Nahandro sy sarin i Rwindra Ftiavana 23.02.2018