By Andry Rakotomavo
Mofomamy Paoma 2
"GATEAU AUX POMMES" :
ZAVATRA ILAINA
atody 4
yaourt 1
siramamy 160g
lavanila tahony 1
menaka 1/2 vera (120ml)
lafarina 250g
leviora simika 1fonosana 15g ny ahy eto (azo ahena 1/2)
sira 2 tsongo
paoma 4 (2 ao anatiny 2 hanaingoana)
FIKARAKARANA AZY:
- kapohana ny siramamy sy atody ary kikin-davanila mandra-pahalevony sy mandroatra fotsy
- arotsaka tsikeikely ny menaka (en filet) sady kapohana ihany
- afafifafy tsikelikely ny lafarina efa nasiana leviora sy sira ary aroina mora amin'ny "spatule"
- arotsaka farany ny yaourt sy ny paoma 2 voatetika efamira madinika ary aroina mora ihany koa
- alefa anaty lasitra, haingoana paoma nosilahana 2 manaraka ny halavany ary voatetika manify (alahatra)
- Atsofoka anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C mandritry ny 45minitra. Tsatohana antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia vita. 10minitra tsy hahamasahany dia rarahana siramamy ny tapony mba hivolom-bolamena.
- Avela hangatsiaka dia esorina anaty lasitra
Afaka ovaovaina ny voankazo.
Araho ny fikarakarana an-tsary
Mazotoa o!
Nahandron'i Vero Randriam