By Andry Rakotomavo
Ovy sy totokena anaty lafaoro
Submitted by andry on Sun, 02/22/2015 - 07:57
127
OVY SY TOTO-KENA ANATY LAFAORO
ZAVATRA ILAINA
ovy mena,
persila
sira,
dipoavatra
tongolo gasy,
menaka oliva,
Totokena
FIKARAKARANA AZY:
Hafanaina mialoha ny lafaoro 180°
Maka ovy mena izay isa tianao zaraina 4 miaraka amin'ny hodiny,
Tetehina ny persila sy tongolo gasy
Afangaro amin'ny vilia bol miaraka amin'ny ovy ny persila, sira, poivre, ary tongolo gasy asiana menaka oliva,
Atao anaty lafaoro mandritra ny 45mn , 180 °C.
Maka lapoaly na vilany dia manendy totokena mitokana araka izay tiana hanaovana azy na asiana "epices" na tsia
Rehefa vita dia afangaro rehetra.
Mazotoa ary!
Fanamarihana: Azo aroso miaraka amin'ny lasary concombre sy mais
nahandron'i Nylà Rom Bauserman
Catégorie: