Poulet byriani

3

SAKAFO FENO : POULET BYRIANI

ZAVATRA ILAINA:

akoho,
yaourt,
carry,
dipoavatra,
cumin,
tongolo gasy
sakaitany,
ranomboasary makirana,
dipoavatra
tantely
voatabia
vary
cerfeuil,
solila : menthe,
voatabia anaty boaty
ronono voanio na "lait de coco",
sira
siramamy
menaka oliva
cardamome 
giroffle,
kanelina :cannelle,
tongolo be

FIKARAKARANA AZY:

Tetehana ny akoho afangaro amin'ny yaourt, carry, dipoavatra, cumin, tongolo gasy, sakaitany, ranomboasary makirana, izany hoe alona eo amin’ny 30minitra eo ireo.
Endasina amin’ny menaka oliva ny tongolo be voatetika, manaraka ny tongolo gasy, cube maggi poulet (raha tiana), cardamome, giroffle, kanelina(totona vaventy) voatabia voatetika, cerfeuil, solila voatetika, voatabia anaty boaty, ronono voanio, sira, siramamy avy eo arotsaka ny akoho sy ny saosy nandomana azy dia avela hiketrika 40minitra.
Mahandro vary nasiana sira kely (vary fotsy,lavalava tsara). Rehefa izay dia maka vilany hafa dia alahatra mifanelanelana ny vary sy ny poulet byriani fa kosa vary no anaronana azy dia decorer-na amin’ny colorant alimentaire jaune eo amin’ny tampony,saromana tsara dia averina amin’ny afo malefaka.

FANDROSOANA AZY:
ahongana amin’ny vilia lehibe ny vilany misy poulet byriani dia haingoana amin’ny tongolo voatetika madinika nendasina dia aroso miaraka amin’ny saosy voatabia: endandasina amin’ny menaka ny tongologasy sy sakaitany voatoto avy eo ny voatabia sy sakaibe nototoina tamin’ny mixeur (nasina rano kely) avy eo voatabia amin'ny boaty, sira, tantely, avela harihitra dia vita.

Nahandro sy sarin'i Vony Miarantsoa (Fifaninana nahandro)

 

Catégorie: 
Matériels: