By Andry Rakotomavo
Ronono mandry mamy
Submitted by andry on Sat, 01/09/2016 - 17:46
494
Tsy misy tsara toy ny vita ao an-trano,
Fanamboarana RONONO MANDRY MAMY
ZAVATRA ILAINA :
Ronono 1L
siramamy 125g
FIKARAKARANA :
- Afangaro ireo dia tanehana eo ambony afo antonony ary aroina tsy an-kiato amin'ny sotro hazo (spatule). Manodidina ny 1ora eo ny fe-potoana.
- Rehefa mahazo ilay fofona "néstlé "sy ny rihatra amin'ny ilanao azy dia vita.
- Atao anaty "bocal" dia saromana tsara, tsy tsabatsabahana.
- Atao toy ny fitahirizana ronono mandry mahazatra ihany
Aza gaga fa mbola miha-matevina an-toerana izy rehefa apetraka anaty vata fampangatsiahana.
Nahandron'i TiAna
Misaotra an'i Lova Miharilanto tamin'ny recette . Antsasak'ireo fatra ireo no natao manome io amin'ny sary io.
Mazotoa o
Catégorie: