By Andry Rakotomavo
Spaghetti au petit pois
SAKAFO FENO: PATY SY PETIPOA - SPAGHETTI CON PISELLI E POMODORI -
Miarahaba indray
Sakafo tena tsotra izy ity ary tena mahavoky
ZAVATRA ILAINA
Spaghetti 300 gr
Petipoa 200 gr
voatabia madinika 5-6 eo
tongolo be 1 na 2
tongolo gasy
menaka oliva
sira sy dipoavatra
FIKARAKARANA AZY:
Maka vilany dia tetehana ny tongolo be ary endasina kely aloha vao arotska ao ny petitpoa dia avela hitanika kely,asiana rano mahamasaka azy dia atokana,
Maka lapoaly dia tetehana ny tongolo be hafa indray ary tongologasy dia avela ho mendimendy ao asiana dipoavatra sy carry ary sira
Arotsaka ihany koa ny voatabia voazara roa fotsiny eto fa tsy atao betsaka fa manimba ny tsirony indray, ary tsy avela ho masaka .
Mampangotraka rano misy sira, arotska ny paty ka rehefa masaka dia tatavanina ary alefa ao anatin io saosy efa vita io,
Rarahana fromazy voakiky
Mazotoa oo
nahandro sy sarin'i Malalatiana Lolah Fredie