By Andry Rakotomavo
Trondro amin’ny “rano adala “
Trondro amin’ny “rano adala “ –" pesci all’acqua pazza" – "fish crazy water" - "poisson à l'eau folle"
Zavatra ilaina:
trondro, voatabia, kotomila, tongolo gasy, menaka, sira, divay fotsy , dipoavatra (raha tia)
Fikarakarana azy:
sasana tsara ny trondro (kikisana ny kirana ary esorina ny ao anatiny ) ary rehefa madio tsara dia alahatra ao anaty vilany na koa atao anaty lasitra (moule) efa nasiana huile d’olive ,
tetehina ny voatabia sy tongolo gasy ary kotomila dia araraka ao anaty vilany fa asiana ihany koa ao anaty kibon’ilay trondro hahamanitra azy
asiana divay fotsy iray vera sy rano, tsy atao difotra tanteraka nefa tsy atao kely loatra fa tokony ho eo amin’ny antsasaky ny trondro ary asiana sira sy dipoavatra kely
Fandrahoana azy
- ambony afo malefaka fa saromana ny vilany
- anaty four à 220° 20 à 25 min eo
Masaka izy rehefa sitomina ny taolany amin’ny elany na ny rambony dia miala ho azy
NB: ny anay esorina tanteraka ny taolana vao zaraina ambony vilia ary rarahana ilay sauce kely eo amboniny, hohanina amin’ny mofo natono na nendasina ilay mikarepoka ireny dia atao kasoka amin’ilay ranoniny mmmmm matsiro an
Mazotoa o