Cookies à la vanille

430

COOKIES A LA VANILLE

ZAVATRA ILAINA :

- atody 1
- siramamy 200g
- dibera 200 g
- lafarina 400 g
- lalovay simika 1 sotrokely
- ranona lavanila izay tiana
- ranom-boasary makirana kely
- hodim-boasary makirana voakiky

FIKARAKARANA :
- kapohana miaraka ny dibera efa natsonika sy ny siramamy
- arotsaka ny atody dia kapohana miaraka indray
- arotsaka ny hanitra miaraka amin'ny lalovay
- arotsaka farany ny lafarina dia afangaro aminy sotro hazo amin'izay

FAHANDROANA : 
- Afanaina 190°C ny lafaoro
- Atao bolabola kely alaina amin'ny sotro ny fangaro etsy ambony ary apetraka eo ambony lasitra nolafihana "papier sulfurisé" na "emballage" koa mety
- Andrahoina 10-12minitra dia esorina avela hangatsiaka.

Mazotoa o 

  nahandron'i Voahangy Treves

 

Catégorie: 
Matériels: