Ananambo na moringa na felimirongo

ANANAMBO NA MORINGA NA FELIMIRONGO

Ny anarana siantifika : Moringa oleifera
Fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny felimirongo.

SAKAFO MAHAVELONA NY ANANAMBO :...
Na ny raviny,na ny tahony tanora, ny felany, ny voniny, ny rotsany tanora, ny voany (na lena na maina)
Maro ireo karazana singa hita ao anatin’ny faritra azo ho hanina amin’ny ananambo.
Ohatra :

Proteina entin''ny ronono 2 kaopy = proteina entin'ny ananambo 100g
Potasioma entin'ny akondro 3 = proteina entin'ny ananambo 100g
Vit A entin'ny karoty 4= Vit A entin'ny ananambo 100g
Vit C entin'ny voasary 7 = Vit C entin'ny ananambo 100g

Fomba fihinana azy:
• Raviny : Ankoatra ny ro efa mahazatra dia azo atao salady ihany koa.
• Ny rotsany: atao salady na atao fangaron-daoka toy ny haricot vert.
• Ny voany raha maintso: atao fangaron-daoka toy ny petit pois.
• Ny voany raha maina: endasina toy ny voanjo.

ZAVA MANIRY FANAO FANAFODY KOA NY ANANAMBO.
Azo ampiasaina avokoa ny raviny, ny rotsany, ny hodiny, fakany ary ny voany. Enty mandresy ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza, reny mampinono, reny bevohoka.
• Ny fihinana 100g ravina ananambo lena dia manome eo ho eo amin’ny 50% ny filàna isan’andro amin’ny kalsioma, vy, proteina ho an’ny zaza 1 ka hatramin’ny 3 taona.
• Ny fihinana 20g ny ravina ananambo lena dia ampy hameno ny filàna isan’andro ny zaza amin’ny vitamines A sy C.
• Fitsaboana fery, vay: totoina ny voniny sy raviny ahazoana pomady apetaka amin’ny faritra ho traboina.
• Fivalanan-drà: Dintiny azo avy amin’ny vatany 1 sotrokely levonina amin’ny rano efa voapangotraka 1/4l. atao rano fisotro.

FAMPIASANA SAMIHAFA

• Ny voany maina dia totoina ka afaka hanadiovana rano: voany 1sotro/rano 1-2 litatra
• Sakafom-biby: ny voany, rotsany, ny raviny ho an’ny omby vavy be ronono 16g/isan’andro. Manome ronono 7 à 10l / andro.
Hitantsika amin’ireo fa firenena navahan’Andriamanitra isika fa manana zava-boary hafa kely. Efa manomboka lany tamingana anefa izy ireny noho ny tsy fahafantarantsika ny vokatsoa entiny koa andeha hatao laharam-pahamehana ny fambolena ny fikajiana ary ny fampiasana ny felimirongo.

de Aina Rakotoarisoa (vondrona Malagasy Mizara Fiainana FB)

Type: