Astuces

Portrait de Angie

Fotsimbary

Andao hifampizara izay MAHASOA manodidina ny sakafo ihany no resaka eto, 

FOTSIMBARY :

1) voadonako ny ranom-boakazo dia latsaka teo ambony "clavier" ary nanondrana tanteraka ny solosaina (maty ny bokotra sasany, ary lasa verindroa ny bokotra sasany rehefa tsindrina) lany haika aho. Nohamainina tamin'ny "brushing" fa e e e.

2) 3 andro lasa : tsy nahalala ilay zanako, avy nanao "jus" tamin'ilay "robot" kely kilalaony, dia nosasany iray manontolo ilay fitaovana (lena tanteraka hatrany amin'ny atiny) tsy nandeha intsony koa

Ranona persily

RANONA PERSILY 

Tsara! Mahasalama! 

ZAVATRA ILAINA:

- Persily 1 fehezana (izay voafehin'ny tanana fa tsy ilay fatorana kely ireny) 
- rano 300-400ml,
- voasary makirana,
- siramamy mena

FIKARAKARANA AZY:

Totoina ny persily efa voasasa madio tsara (Mixer-na no haingana sady tsy misy very), miaraka amin'ny rano 300-400ml, voasary makirana ary siramamy mena.
Sotroina isan'andro ahazoana calcium tonga dia raisin'ny vatana. Tsy mahabe vato.

Natolotr'i Noro-Liva Rakotondrasamba

Voaloboka namainina

Voaloboka namainina (raisin sec)

Tsara ny mihinana ity voaloboka namainina ity fa mahasalama tokoa

Fitehirizana zava-maintso

Fitehirizana zava-maintso

natolotr'i Dina Ramangatsihoarana 

Ny zava-maintso tongolo maintso, basilic, persil, kotomila, menthe ...
Sasana tsara dia totoina na tetehana madinika dia atao amin'ny "bac à glaçon"
Asiana rano na menaka (oliva no tena tsara);
Rehefa mivaingana tsara dia avadika anaty sac de congélation amin'izay ka mamoaka fotsiny isaky ny mila. 

 

Fitahirizana mofo dipaina

 Fitahirizana mofo dipaina

Fitahirizana ny voasarimakirana

 Fitahirizana ny voasarimakirana

Sasaina ny voasarimakirana.
Maka bocal hermétique madio tsara.
Arotsaka ao ny voasarimakirana.
Fenoina rano madio. Hidio tsara.
Tahirizo ao anaty vata fampangatsiahana.
Fitaovana madio no angalana ny voasary rehefa mila ary hidio tsara foana ny bocal.
 

natolotr'i Noro-Liva Rakotondrasamba: 

Fitahirizana kotomila

 Fitahirizana kotomila

  • natolotr'i Noro-Liva Rakotondrasamba: 

Maka bocal na pot yaourt (mora mianjera io nefa).
Atsangana ao ny kotomila. Asiana rano mandifotra ny fakany fotsy iny.
Atao anaty sachet ny bocal ary atsangana. Tsy hidina be ny sachet fa mamono tsara ny bocal sy ny kotomila fotsiny.
Apetraka amin'ilay faritra amin'ny varavaran'ny vata fampangatsiahina (ilay fitahirizana zava-pisotro sns).
Adinoko ny sachet indray andro dia nalazo haingana izy. Nangatsiaka loatra.

Portrait de Angie

Vahona

VAHONA

Portrait de Angie

Atody papelika

MARO TOKOA NY VOKATSOA AZO AVY AMINI'NY ATODY PAPELIKA (oeuf de caille)

ANKIZY
-manampy sy manafaingana ny fitomboana ary mampisy fifandanjana eo amin'ny vatana
-manatsara sy mampivelatra ny faharanitan-tsaina

Portrait de Angie

Baranjely

BARANJELY

-Ahitana vitamine maro ,be otrik'aina,kalsioma ary tena manadio ny ao anaty
-manampy amin'ny fanalana tavy anaty
-manampy amin'ny fiasan'ny aty
-mampiena ny tahan'ny "cholestérol"
-mahatsara ny fandevonan-kanina
-manampy ny fomba fiasan'ny tsinay,mahatsara ny tsinay,misoroka ny homamiadan'ny tsinay be
-misy singa mampiena ny tahan'ny homamiadana ao amin'ny baranjely
-tsara ho an'ny olona ambony tosi-dra,goty,mitohana.

Ankoatry ny atao amin'ny sakafo dia ireto misy fomba azo hampiasana azy:

Pages