Atody papelika

Portrait de Angie

MARO TOKOA NY VOKATSOA AZO AVY AMINI'NY ATODY PAPELIKA (oeuf de caille)

ANKIZY
-manampy sy manafaingana ny fitomboana ary mampisy fifandanjana eo amin'ny vatana
-manatsara sy mampivelatra ny faharanitan-tsaina

OLON-DEHIBE SY ZOKIOLONA
-manavao indray ny toe-pahasalamana sy mampisy fifandrindrana amin'ny taova sy ny fiasany,miady amin'ny fahanteran'ny taova 
-manamafy ny taova reraka noho ny fiasam-batana sy ny rari-tsaina
-misoroka,mampitony fanaintainana ary manasitrana amin'ny karazana aretina maro vokatry ny fahanterana
-mamoha ny fitadidiana

VEHIVAVY BEVOHOKA SY MAMPINONO
-manamafy ny oragnisman'ny vehivavy alohan'ny fotoana haterahany sy rehefa avy miteraka
-mampifadanjana ny ara-batana sy ara-tsaina ho an'ny zaza ao am-bohoka ary manafaingana ny fahazoan-kery ho an'ny reny avy niteraka sady mamerina amin'ny laoniny ireo sela
-manatsara ny kalitaon'ny nonon-dreny

IRETO AVY IREO FITSABOANA AZO ATAO AMINY ATODY PAPELIKA

-ny aretin'ny FO
-manatsara ny fiasan'ny fo

-manampy ny olona voan'ny asma sy ny aretin'ny taovam-pisefoana
-manasitrana ny aretim-bavony ,ny fandevonan-kanina,masinaty
-ny aretina aty
-ny aretin'ny voa
-ny aretin'ny fikorian'ny ra,tosi-dra avo
-ny aretin'ny hatavezana,goty
-ny aretin'ny arerahan-tsaina,aretin'andoha lavareny,ny rari-tsaina
-ho an'ny hoditra manokana sy ny volo:manatsara ary mitaiza ny hodi-tava sy ny volo ny atodin'ny papelika

-fomba fihinana azy,tsara raha manaraka fitsaboana 240 atody ny somary efa zokiolona sy olon-dehibe(mihinana 2 hatramin'ny 6 isan'andro,hoanina manta,sasana tsara ny atody dia hasiana lavaka kely dia trohana avy hatrany,na atao ao anaty vera dia hasiana tantely kely dia sotroina afaka adin'ny 3 eo ho eo.

-tanora(alaina ny tamenany dia hasiana tantely kely,afaka adin'ny 1 vao sotroina.

-ankizy(alaina ihany koa ny tamenany dia asina tantely kely,sotroina afaka 30mn)

Ny atodina papelika ihany koa dia manasitrana fery amin'ny hoditra(kapohina dia hosorana avy hatrany eo amin'ilay fery.)

NY RADIO TANA DIA MIRARY SOA HO ANTSIKA HATRANY fb

Type: