Fanadiovana lalandrà

FOMBA TSOTSOTRA FANADIOVANA NY LALANDRA

ity misy torohevitra kely hisorohana sy mba hanadiovana io lalandrà io raha sanatria ka misy fahasahiranana ny fikorianan'ny rà any anaty any:

Akora ilaina : 
1- Tongolo gasy hasiny 8 
2- Voasarimakirana 8 isa
3- Sakamalao mitovitovy habe amin’ny ankihibe
4- Rano 4 litatra

Fikarakarana azy :
- Voasana ny voasarimakirana, tetehina madinika 
- Voasana ny tongolo gasy 
- Voasana ny sakamalao
- Miara arotsaka ao anaty “bol mixeur“ ireo ary ahodina ao hifangaro tsara
- Afangaro amin’ny rano 4 litatra anaty “casserole” io, vao mangotra-tokana dia esorina ary andrasana hangatsiaka. 
- Tantavanina ary atao anaty tavoahangy ny vokatra azo avy eo.
Fomba fampiasàna azy:
- Atao toy ny rano fisotro mahazatra fotsiny , ka kendrena ho adiny 1 na 2 mialoha ny sakafo, na rehefa tsy dia misy sakafo loatra ao anaty vavony . Tehirizina anaty vata fampangatsiahana ny ambiny ho amin’ny ampitso indray mandrapaha lany azy.
- Mila arahina fampiasam-batana tsotsotra toy ny dia an-tongotra no manafaingana sy mampahomby ny fanadiovana ny lalandrà.
 

Mirary fahasalamana ho anao!
de Sammy Rama 25.09.2015 

 

Type: