Fatto in casa da Benedetta

Miarahaba,

Mandroso hatrany ny asa. Taorian'ny fifanakalozana tamin-dramatoa Benedetta, tompon'ny pejy : "Fatto in casa da Benedetta" (izay raha adika dia hoe :"fait maison" na vita an-trano) dia mahafaly ny milaza amintsika fa nahazo alalana taminy aho hizara ny recette-ny ato amintsika (izay ezahako adika amin'ny fiteny malagasy) ho fahaizana ho an'ny maro.

Ho fankasitrahana azy kosa, dia hiezaka koa aho handika ireo recette-ntsika ato, tiany mba hozaraina any aminy ho hitan'ny olona maneran-tany, satria io pejiny io dia efa mihoatry ny 1.000.000 ny mpanaraka azy.

Ho an'izay liana sy havanana amin'ny teny Italiana moa dia afaka mitsidika tsy am-pisalasalana ny pejiny ihany koa izay azo jerena eto na koa ny vohikala "Fatto in casa da Benedetta"

Afaka mijery avokoa ny rehetra fa misy video mora arahina ihany koa ao mila adika miadana izay hita fa misy any Madagasikara ny zavatra ilaina rehetra, dia mandefasa ihany hafatra raha misy tianareo, fa koa raha misy recette tianareo ka tsy mahandry ny fandikana azy dia aza adinoina fa azo atao tsara ny mandika ny teny italiana amin'ny teny frantsay avy ao amin'ny aterineto "google traduction" na izay tianareo ampiasaina

"Tsy mampihena ny mizara fa mampitombo sy mahasambatra"

Am-pitiavana sy am-pifaliana hatrany.