Fitahirizana mofo dipaina

 Fitahirizana mofo dipaina

  • natolotr'i Noro-Liva Rakotondrasamba: 

Sachet, sachet, sachet mihidy tsara hatrany.
Tsy hikarepoka izy fa mba tsy ho mafy rehefa ohanina raha mipetraka efatra-dimy andro aza.
Sachet tsy rovitra, navona tsara tsy hidiran'ny rivotra.
Ny anay aza vao tonga dia tapahina ny mofo amin'ny habeny fihinanana azy.
Dia atao anaty sachets mihidy tsara.
Misy ireny lamba tsara tarehy ireny, misy peta-kofehy, tsy fitahirizana ireny fa mihenjana foana ny mofo amin'ireny.
Tsy atao anaty vata fampangatsiahana.

  • Natolotr'i Pap Mi 

Ny ahy ny mofo ilay mikarepoka tsara iny no tapaiko amin'ny ilana azy ary atao anaty "sachet" avy eo atao anaty "congelateur".
Avoaka 130 minitra eo alohan'ny hihinana azy fa dia mikarepoka tsara ihany. 

 

Type: