Fotsimbary

Portrait de Angie

Andao hifampizara izay MAHASOA manodidina ny sakafo ihany no resaka eto, 

FOTSIMBARY :

1) voadonako ny ranom-boakazo dia latsaka teo ambony "clavier" ary nanondrana tanteraka ny solosaina (maty ny bokotra sasany, ary lasa verindroa ny bokotra sasany rehefa tsindrina) lany haika aho. Nohamainina tamin'ny "brushing" fa e e e.

2) 3 andro lasa : tsy nahalala ilay zanako, avy nanao "jus" tamin'ilay "robot" kely kilalaony, dia nosasany iray manontolo ilay fitaovana (lena tanteraka hatrany amin'ny atiny) tsy nandeha intsony koa

3) toy ireo koa ny finday raha lena na latsaka anaty rano toy ny efa nahazo ny maro

Tsotra : Atao difotra anaty fotsimbary mandritry ny 48 ora fotsiny ny "appareil", fa iny fotsimbary iny no mitroka ny hamandoana rehetra. Nety tamiko dia zaraiko ary maro no efa avotra

Mandeha avokoa ireo fitaovana ireo izao (io amin'ny sary io), faly aho :)

Ary ny anao / anareo ? Mba zarao izay hainao fa mety mahasoa ny hafa ihany koa

Afaka zaraina eto amin'ny "commentaire" na ao amin'ny vondrona Mamina ao amin'ny facebook 

natolotr'i Vero Randriam 
 

Type: