Ny atody

Vitaminina tsy misy tomika ( izany hoe tsara tsy misy ho kianina) no tena fahalalantsika ny atody.

Azo anaovana fanafody koa anefa izy ary tena mahomby.

1- Fanafody kaikitram- biby toy ny alika trambo sns....

Fomba fanaovana azy : 

vakiana ny atody alaina ny tamenany ary iny tamenany iny no aositra manodidina ny vonto na fery voakaikitra.

2- Fanafody folakan-jaza kely menavava latsakiny 1 taona.

Fanaovana azy :

vakiana koa izy ary ny tamenany hatrany no ilaina, apetaka toiny manao plâtre ireny eo amin'ny faritriny folaka ary atao 1 isan'andro.

Tsy sasana fa tovanana avy hatrany raha mbola tsy sitrana ny ampitso.

4 andro farafaha ela dia sitrana ny zaza.

Tsy voatery hatao matevina toy ny plâtre anefa fa rehefa hita fa matevitevina fotsiny dia efa mety.

3- Fanfody poizina.

Raha misy olona nihinana poizina na nahavoahinana poizina na koa namonotena ka nihinana poizina ireny na koa namosavian'olona taminìny alalany zavatra nohanina dia haingana ny mampihinana azy atody manta.

Fanaovana azy: 

raha mbola mahatsiaro tena ilay olona dia ampisotroina atody manta.

Tsy misy esorona na ny tamenany na ny tapotsiny fa iny no tonga dia omena azy.

Tsy asiana na inona na inona fa tonga de sotroina avy hatrany.

 

de  Fankatoavana Lucie Ponna (fb)

Type: