Ny baobab

Hazo lehibe ny baobab na RENIALA, afa-miaina 1000 ka hatramin’ny 2000 taona. Mety mahatratra 25 m ny hahavony ary 9 m ny hateviny. Nefa misy ny karazany fohy : 4-5 m ihany koa. Mahatahiry rano betsaka izy. 8 karazana ny baobab eran-tany, ny 6 amin'ireo dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara

Ny voan’ny baobab dia tena feno otrikaina tokoa, misy calcium indroa mihoatra ireo ny fatra hita ao anatin’ny ronono sy ny épinards, ahitana ny vitamine C mihoatra lavitra noho ny hita ao anaty voasary, ao koa ny B1 sy E

Fanafody entina miady amin’ny fivalanana, fitsaboana ratra ary manala fanaintainana ihany koa ny baobab.

Ho an’ny zaza maniry nify, dia azo iambozonany ihany koa ny voana baobab, manala fanaintainana izany ary mampidina ny hafanan’ilay zaza

Manakatona ny hoditra ihany koa ny voana baobab, mampalandilandina ary manavao ireo sela efa maty

de Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa

Type: