ny datiroa - datura

Zava-maniry toy ny anamamim-bazaha, maniry eny amin’ny sisin-tanimboly na eny amin’ny sisin-tatatra sy sisim-parihy, na koa sisin-tanimbary no misy azy.

Fanositra amin’ny trano ho solon-tsavoka no tena fahalalantsika azy matetika.

Manana hery afaka manasitrana koa anefa izy.

Manasitrana fivontosana misy rano na nana ;

manasitrana hozatra mivonto amin’ny tarehy : sasana tsara ny raviny iray na roa arakaraka ny halehiben'ilay faritra marary hotsaboina, dia apetaka eo amin'ny marary mandritra ny alina ary tohizana foana mandrapahasitrany.

de Fankatoavana Lucie Ponna (fb)

 

de Sammy Rama:

Voalaza koa fa RAMIARY no anaran'io datroa.

Mahomby tokoa izy io amin'ny aretina sempotra amin'ny tratra na SOHIKA (ASTHME) .

Maka maro amin' ilay raviny io dia apetaka eo amin'ny faritry ny tratra rehetra sy mifanitsy amin'ny fantson'ny taovam-pisefoana hatreny amin'ny tenda dia azo asiana azy daholo.

 

 

Type: