Ny frezy - fraise

 

Frezy na fraise 

Ankoatry ny tsirony izay be mpakafy, indrindra fa ny ankizy dia hita fa be ny vokatsoa entiny hoan'ny lehibe. Etsy ange!

- Manampy amin'ny fitsaboana "arthrite" sy "rhumatismes".
- Mitsabo ny "goutte" izy. Mandevona ny acide urique, ilay miteraka fivontosana amin'ny vanin-taolana. Ingahy Linne, botaniste avy any Soeda iray no efa nitsabo tena tamin'ny frezy ka nahalevona ny goutte-ny ary mamporisika ny fampiasana ny frezy iadina amin'ireo aretina telo voalaza etsy ambony ireo;
- Manampy amin'ny fiadiana amin'ny "hypertension" na ny tosi-dra avo;
- Mandevona ny vato ao amin'ny voa;
- Misy vy (fer) amin'ny tahany kely ny frezy. Ary nohon'ny fiarahany amin'ny Vitamina C dia ampiasain'ny vatana amin'ny tahany avo ny vy ao aminy. Aro amin'ny faharerahana sy ny "anemie" mihitsy aza. 100 gr-na frezy dia mitondra roa avo eny ny fatra ilaina ao anatin'ny iray andro;
- Be "fibres" mora levona sy "pectine", mpanampy amin'ny fanesorana ny "cholesterol";
- Be "antioxydants" koa.

 

Noho ireo teboka roa farany ireo dia manampy amin'ny fitsaboana amin'ny aretim-pahazo ny taovam-pikorian'ny lalan-dra sy ny fo izy.

 

Ny fomba tsara indrindra ihinanana azy dia ohanina madio, tsy misy siramamy ary alohan'ny sakafo.

Mety hampisy "reactions allergiques" amin'ny olona sasany ny frezy.

 

de Noro-Liva Rakotondrasamba, Septambra 2015: Nadikako sy nofintiniko avy ao amin'ny boky "Les tresors du gourmet" nosoratan'i Michael Van Straeten, "homeopathe" sy "chiropraticien" ary efa nitantana ny British College of Naturopathy and Osteopathy ireo voka-tsoa ireo.