Ny persil (1)

Marobe tsy tambo isaina ny voka-tsoa azo avy amin’ny persil, misy vitsivitsy ho entina aminao ireto ka ny tena misongadina amin’izany dia ny :

-      Fanadiovana ny voa (reins) izay efa reraka nanadio ireo loto sy poizina rehetra tao amin’ny vatan’ny olombelona ka mila diovina sy sitranina mba ahazo hery vaovao indray hahafahany manohy manatanteraka io andraikiny ao amin’ny tenan’ny olona io

Ny atao amin’izany dia sasana tsara ny persil iray fehezana, tetehina madinika ary ampangotrahina anaty rano 1 litatra. Avela mangatsiaka avy eo, tatavanina, atao anaty tavoahangy madio tsara ary ampirimina ao anaty vata fampangatsiahana. Misotro iray vera isan’andro amin’io dia ho hitanao fa hihatsara ny fahasalamanao ary ny loto rehetra ao anaty dia hivoaka daholo

-      Azo atao koa ity raha resaka fanadiovana voa io ihany: asiana hasina tongolo gasy fito miaraka amin’io fehezana persil io, dia ampangotrahina amin’ny rano 1 litatra ihany, dia sotroina intelo isanandro, ka ny fatrany dia ny hadirin’ny "pot yaourt". Pr Ratsimamanga no nanoro an'io, fa nisy olona efa saika hodidiana afaka 15 andro no nisotro an'io dia gaga ilay dokotera vazaha nanaraka ny fahasalamany nahita ny voany nadio be ka dia tsy natao intsony ny fandidiana.

Ankoatr’izay, tena manatsara tokoa fiasan’ny aty ny fihinanana persil matetika. Manatsara ny fiasan’ny taova ao anaty koa izy satria manampy amin’ny famoahana ny loto rehetra hanaraka ny fivalanan-drano (diurétique)

Ireto koa mbola soa azo avy amin’ny persil ihany :

-      fanefitra sy mitsabo ny calculs rénaux

-      manalefaka ny crises de goutte, ny rhumatisme ary ny arthrose

-      manampy amin’ny fitsaboana ny tazovony

-      manalefaka ny hidihidy azo avy amin’ny kaikitry ny tantely sy ny takolapanenitra. Kosehina eo amin’ilay mangidihidy izy amin’izay fotoana izay

 

Fa ankoatra izany, mampitony ny “infusion de persil” : maka rano iray litatra dia fehezana iray no arotsaka rehefa mangotraka ny rano, dia avela kelikely eo dia entanina hiala avy eo ambony fatana. Avela hangatsiaka, sotroina amin'izay.

 

Ny olona tsy ampy sokay, vitamines C, B1 sy B6 koa dia tsara raha mihinana persil fehezany iray isan'andro, hanina manta, fa tena mahomby io

Ahitana vitamine K betsaka koa ao anatiny ary manampy betsaka ireo olona manana olana amin’ny fivainganan-drà

Ny olona tsy ampy “fer” koa dia afaka mihinana persil nohamainina

 

Manamaina ratra koa ny ravina persil ary mampihena ny ronono ao amin’ny nonon’ny vehivavy raha toa be loatra izany

 

Ahitana « antioxydants » betsaka koa ao anatin’ny persil ary vao haingana no nivoaka ny valin’ny fikarohana fa hoe manampy betsaka amin’ny fiadiana ny aretina « cardiovasculaires » izy, mihoatra lavitra noho ny voankazo sy ny legioma

 

Afaka tsakotsakoina fotsiny amin'izao ny persil rehefa avy nosasana tsara, sady manala "mauvaise haleine" izy amin'izay, no mitondra ireo voalaza rehetra etsy ambony. Tsaratsara kokoa ny tsirony raha atao jus: mixer-na tsara, fihazana amin’ny compresse ahazoana ranony ary asiana siramamy sy rano. Afaka asiana jus de citron kely koa hanova ny tsirony raha ilaina

 

Ary farany, ny persil koa dia natao hanadiovana ny hodi-tava : ampangotrahina ny persil iray fehezana mandrapahatonga azy ho mavo ny lokony. Potehina anaty « mixeur » miaraka amin’ny ranony ihany eo amin’ny telo sotro eo, atao lasa ohatran’ny « crème », ka iny no ahosotra ny tarehy mandrapaha-maina azy. Avy eo dia kobanina amin’ny rano matimaty. Ny ambin’ilay « crème de persil » dia azonao tehirizina anaty vata fampangatsiahana ka ampiasaina amin’ny manaraka indray. Intelo isan-kerinandro no tsara fanaovana ity « masque » ity

Aoka ho marihina anefa, fa ny voany sy ny fakan’ny persil dia fady ho an’ny olona mitondra vohoka sy ny olona voan’ny « cirrhose » sy ny « maladie rénale »

de Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa (fb)

Type: