Ny romarin

MILA TANDREMANA ihany koa ny fampiasàna ireny zava-maniry ho fanafody ireny fa misy ny CONTRE INDICATIONS....

Ohatra ny Romarin dia tena tsara ho an'ny fikorianan'ny ra, mampalalaka ny lalan-dra, tsara ho an'ny olona voan'ny "rhumatismes, arthrites, courbatures".

Fa TSY TSARA kosa ho an'ny vehivavy bevohoka, ho an'ny zaza mbola kely loatra ary ny olona mararin’ny epyleptie, ohatra fotsiny io ka aleo manadihady tsara alohan'ny hampiasana azy.

Ankoatra izany anefa dia azo antoka kosa fa ho an’ny ankizy na lehibe tsy mazoto homana loatra dia manetsika ny fahazotoan-komana izy.

Ny fikarakarana azy dia maka tahony iray na roa somary lavalava (10 cm), dia ampangotrahina amin’ny rano 1 litatra io dia atao rano fisotro.

Ny romarin koa dia mahafaka tsara ny sinusite, iny tahony maina iny no dorana dia ilay setroka mivoaka avy amin’izany no trohina mafy amin’ny orona.

de Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa (fb)

Type: