NY SAKAFO MALAGASY

Manana ny tena maha izy azy mihoatra ny an'ny vahiny tokoa ny sakafo Malagasy, miavaka na eo amin'ny lafin'ny nahandro (haify), na eo amin'ny lafiny kolontsaina.
Rehefa misakafo ny malagasy dia mamelatra tsihy fihinanana (Lambanana) eo amin'ny tany ka eo no mipetraka sy mihinana ny mpianakavy, ary ny vahiny.
Taloha dia nihinana tamin'ny tanana ny malagasy fa taty aoriana vao nampiasa sotro, ravin-javatra kosa no natao solon'ny lovia, na tonga dia apetraka eo ambony tsihy
ny sakafo dia samy maka sy mitambatra eo daholo. Ny zinga fisotroana ranovola dia iray ihany no ampiasaina ary iny no alefa miodina, ka ny zokiolona no misotro mialoha.
Vilany tany sy vilany vy kosa no fampiasa ary akarina eny ambony lambanana mihitsy izany, fa tsy avela any am-patana.

Araky ny efa fantatsika dia Vary no foto-tsakafon'ny malagasy, ary ahitana vary foana ny sakafo na maraina, na atoandro, na hariva.
Misy karazany maro izany toy ny: vary botry, vary lava, vary rojo mena na fotsy, ... ary misy karazany 2 no fahandro azy: atao vary maina na sosoa.
Ny sakafo karakaraina dia miankina amin'ny zavatra atao ary mifamatotra amin'ny fomba izany, ohatra: misy ny karazan-tsakafo manokana atao rehefa Asaramanitra,
Santabary, Fitokanana trano, Fiarahabana ny mpanjaka, Alahamady, sns ...
Ny henomby no tena laoka fahandro matetika amin'ny andro lehibe, ka misy karazany maro no fomba fikarakarana azy, ohatra amin'izany ny:
Varanga (Varangan-kena) izay hena masaka alona ao anaty menaka mba haharetany sy hampatsiro azy. Ny Kitoza nialo-taona, izany hoe hena naely herintaona.
Ny Malagasy moa dia tsy nihinana henan-kisoa raha tsy efa taty amin'ny vanimpotoanan'ny Misionera, ka lasa fanao isaky ny andro fety koa izany. Ny henakisoa
sy Ravitoto rahateo izay tena mampiavaka sy mampalaza antsika malagasy.
Rehefa taombaovao sy fitokanana trano kosa dia Vary rojo fotsy tsindriana tantely ary tondrahana ronono no tena fihinana.
Amin'ny ankapobeny dia ireto avy ny sakafo tsy maintsy hita mandritra ny fihinanana: ny vary, ny laoka (hena, hazan-drano, ...), ny fangaro (anana, tsaramaso, voanjobory, ...),
ny ro_mazava , ranovola (ranon'ampango).

Tsy voatanisa eto daholo ny laoka tena Malagasy fa ireto misy santionany vitsivitsy afaka ataontsika any an-trano any, ankoatra ireo efa fantantsika:
* Trondro sy anamalaho ary voanjobory
* Kitoza mialo-taona sy rojo mena asiana tantely (Sakafo tena ankafizin-dRanavalona III io)
* Varanga mialo-taona sy ro mazavan'andriana
* Amalona sy henakisoa 
* Gana asiana tantely sy voasary
* Akoho miaro voanio
* Lelan'omby sy sakamalaho
* Zana-kisoa nasaly sy anatsonga
* Ladobona henan'ondry
* Vorintsiloza sy legioma miaraka amn'ny ampangoro 

MAZOTOA HOMANA ARY Ö

source Sary Fahiny (fb)

Type: