Ny tantely

Mahasalama ny tantely saingy ny fomba hihinanana azy sy ny vokatsoa entiny mazava angamba no mbola tsy hainao avokoa ?

Hoditra manaintaina na maratra : Raha misy maratra ety ivelany na mangatsiaka loatra ny tanana dia azo hosorana tantely, mampikatona haingana ny fery izany sady mampitony ny fanaintainana. Na ny mivonto aza mihena misy azy. Raha sendra mihofaka na misy fanaintainana hafa ny hoditra dia asiana tantely ny lamba madio ary iny no apetaka amin’ny faritra marary.

Hemoroida : Mampihena haingana ny mivonto vokatry ny hemoroida ny fanosorana tantely matetika ny lavaky ny fitombenana (anus).

Marary tenda : ampangotrahina mandritra ny 5 minitra eo ho eo ny rano nasiana tantely 2 sotro. Mihinana in-telo na in-4 sotro amin’ity fangaro ity isaky ny ora 1.

Tsy nahalevon-kanina : asiana tantely tapaky ny sotro ny rano mangotraka 1 vera. 1 sotro amin’io isaky ny ora iray no sotroina mandrapahazo aina. Sakafo voalanjalanja no hanina avy eo.

Sakafo tsy zaka na voapoizina : Raha sendra nihinana sakafo lany daty na misy poizina dia mihinàna avy hatrany tantely 2 ka hatramin’ny 4 sotro fihinanana.

Marary maso : sady manadio no manamafy ny maso ihany koa ny tantely. Ampangotrahina ao anaty rano ½ kaopy ny tantely 1 sotro kely mandritra ny 5 minitra.Raha sendra voan’ny conjonctivite dia rano mamay ¼ litatra nasiana tantely 2 sotro kely no hamotosana ny compresse. Io no hamaohana ny maso. Compresse vaovao isaky ny maso no ampiasaina.

Tsakoahana : ampangotrahina miaraka ny rano 1 vera nasiana tantely 1 sotrokely. Io no hanaovana gararaka.

Raha misy vay : afangaro ny lafarina sy tantely mitovy fatra. Tapohina rano mafana tsara. Tsy tokony handranoka ny fangaro fa matevina. Hosorana io ny vay isaky ny hariva.

Mivoaka Aphte : afangaro ny ranom-boasarimakirana sotrokely sy ny tantely kely dia avela ao am-bava ela indrindra izay vita io fangaro io.

Voan’ny Bronchite : atao ao anaty rano mamay nomamiana tantely iray sotro ny ranom-bosarimakirana 3 sotro. Io no sotroina in-droa isan’andro lavitry ny sakafo mandritra ny 2 herinandro.

Tsy mivoaka feo : ampangotrahina ao anaty ranom-boasarimakirana ny tongolo iray mandritra ny 10 minitra, mamiana amin’ny tantely. Sotroina in-telo isan’andro amin’ny vera kely.

Crampes amin’ny alina : mihinana tantely 2 sotrokely adin’ny 2 aloha na aorian’ny sakafo telo lehibe.

“Fatigue générale” : atao anatin’ny ranom-boasary ½ vera labiera ny tamenak’atody sy ny tantely iray sotro

 

(Valisoanirina Noromalala Randrianarijaona)

Type: