Persil 2

PERSIL

Feno vitamines sy minéraux indrindra fa ny vitamine C,misy koa ny provitamine A,vitamine K,B9,calcium, magnésium, potassium, fer,anisan'ny ahitana singa maro antioxydant toy apigénine, lutéine bêtacarotène

-Manadio ny voa,mampangotraka rano 1l dia asiana fehezana persil iray,tatavanina dia misotro 1 vera isan'andro mandritra ny 1 na 2 herinandro
-Manamora ny fandevonan-kanina,manala rivotra ary tsy mampanevika,maka ravina persil kelikely dia atao anaty rano 1 kaopy mangotraka,sotroina avy misakafo
-Mampilamina ny fadim-bolana sady mampihena ny fanaintainana 
-Mampihena ny nono ho an'ireo reny mitsahatra tsy mampinono intsony,atao anaty rano mafana dia apetaka @ nono sady mihinana
-Miaro amin'ny homamiadana
-Mampitony ny kohaka
-Manasitrana ny kaikitry ny bibikely,atao cataplasme
-Manala ny fofona tongolo amin'ny vava,atao gararaka na tsakotsakoina fotsiny
-Mampalefaka ny hoditra,mampihena ny kentrona ary manazava ny endrika,atao masque amin'ny tarehy,maka persil tokony 2 sotro lehibe mixer-na dia asiana yaourte nature 2 sotro, asiana huile essentielle 3 gouttes raha misy dia hosorana ny tarehy 15 mn dia kobanina,azo atao lotion ihany koa sns...

Azo tehirizina andro vitsivitsy izy raha atao ao anaty sachet mikatona tsara dia atao anaty frigo ambany indrindra

de Radio Tana (fb)

Type: