Vinaigre blanc

VINAIGRE BLANC

Atao amin'ny sakafo no tena ahafantarantsika ny vinaigre fotsy,fa maro koa ny zavatra azo ampiasana azy.

-Mora hanendahana ny papier peint amin'ny rindrina,rano sy vinaigre mitovy fatra no alaina,lemana amin'iny ny éponge dia apetaka amin'ny rindrina na atao spray,avela hijanona 5mn
-Manala ny ciment amin'ny carreaux,mampangotraka rano dia asiana vinaigre,araraka amin'ny carreaux ary avela eo 30 mn,fafana amin'ny chiffon avy eo,ny joint indray dia kosehina amin'ny borosy nify nasiana vinaigre
-Manadio ny tanana voan'ny ciment na platre na loko
-Manala ny fofona amin'ny tanana avy mamofy tongolo na cocombre na mikiky trondro,asiana vinaigre ny rano hanasana tanana
-Manala ny harafesina,alona vinaigre ny zavatra harafesna dia hiala tsikelikely
-Manala ny tasy café,divay amin'ny lamba,vontosana vinaigre ny lamba hafa dia apetaka eo amin'ny faritra misy tasy alohan'ny hanasana azy,asiana vinaigre kely koa ny rano hanakobanana lamba mba hampalefaka azy
-Manala calcaire amin'ny cafétière,bouilloire,casserole,maka rano sy vinaigre mitovy dia avela hangotraka ao mandritra ny 30 mn
-Mampangirana ny lovia sy vera,kobanina amin'ny rano nasiana vinaigre
-Manadio ny fera fipasohana,fenoina vinaigre ny taratasy dia fatorana mafy tandrifin'ilay faritra diovina,avela eo elaela dia fafana moramora
-Manala ny hidihidy ateraky ny kaikitry ny bibikely

Aza atao tapaka vinaigre fotsy ary ao an-trano fa maro dia maro ireo azo ampiasana azy,santionany fotsiny ireo.

de Radio Tana (fb)

Type: