VOASARY MAKIRANA

 

VOASARY MAKIRANA - CITRON

Vokatra sady mora zao ny voasary makirana ka araraoty ny mihinana sy mampiasa azy satria betsaka ny voka-tsoa azo avy aminy

-Manampy amin'ny fiasan'ireo taova rehetra any anaty any toy ny voa,aty,sarak'aty,tatavia,vavony,tsinay
-Manadio ary mampizotra tsara ny fikorinan'ny rà
-Noho izy be vitamine C dia miady amin'ny gripa,kohaka,rhume,afangaro amin'ny tantely sy sakamalao
-Raha misy sakafo na fanafody tsy zaka dia maka rano nampangotrahana nasiana thym,cannelle ary ranom-boasarimakirana dia sotroina, mila mandeha dokotera rehefa tsy afaka
-Manampy ny vatana amin'ny famokarana sela fotsy (globules blancs)
-Manampy amin'ny fampidinana hafanana rehefa manavy
-Mampitombo ny hery fiarovana
-Manafotsy nify,manasitrana aphte,atao bain de bouche,raha tiana ho sitrana haingana dia huile essentielle no ampiasaina
-Miaro amin'ny fiforonan'ny cancer sy sy kyste koa ny fihinana azy isan'andro
-Tsara ho an'ny olona mpandeha rà orona matetika
-Manala ny fofon-katsembohana,asiana ranony ny rano hikobanana rehefa mandro na hosorana ny helika
-Mampalefaka ny hoditra,rehefa avy manao raharaha na manasa lamba iny dia hosorana ranony ny tanana
-Manafotsy ny hoho,maka rano matimaty 1 kaopy kely asiana atsasaka voasary makirana,alona kely 5 mn
-Manamafy sady mampangirana ny volo,asiana ranony ny rano hanakobanana volo farany
-Manala ny maintimainty amin'ny lohalika sy kiho,kosehina tsikelikely amin'ny atsasaka voasary makirana 
-Tsara koa ny ranom-boankazo mbola hotehirizina raha asiana ranom-boasary makirana kely

Tsara kokoa raha tonga dia sotroina ny jus azo avy aminy mba tsy hahavery ireo singa entiny
Mbola betsaka ny soa azo avy amin'ny voasary makirana ka araraoty fa vokatra izy zao

de Radio Tana (fb)

Type: