sauce d'huitre

Bitro

BITRO 

Zavatra ilaina:

Bitro 1 
Tongolo gasy vokiky 
Thym 
Vinaigre balsamique 2 sotro 
Menaka 1 sotro 
Sauce d 'huître 1 sotro 
Sira 

 

Fikarakarana azy:

Notetehiko ny Bitro dia avy eo nafangaro ireo rehetra ireo.

Navelako nilona nandritra ny alina.

Ny ampitso ora iray alohan 'ny hisakafoanana vao nandrahoko. 

Hafanaina ao anaty vilany ny menaka 2 sotro, avy eo arotsaka ny bitro efa nilona.

Akoho sy poivrons

Akoho sy poivrons

zavatra ilaina :

akoho, tongolo gasy, sakamalaho, sira, poivre, thym, sauce d'huitre, menaka, poivrons, rano. 

fikarakarana azy: 
nosasana ny akoho, nolomana tongolo gasy sy sakamalaho voatoto, se, poivre, thym, suace d'huitre ary menaka kely.

Arotsaka anaty vilany, avela hiketrika, rehefa ritra dia asiana oignons voatetika sy poivrons kely, tapohana rano kely ka rehefa miverina ritra dia vita.

Afaka asiana tongolo maitso na kotomila alohan'ny hibatana azy.

S'abonner à sauce d'huitre