By Andry Rakotomavo
Nem au viande
TSAKITSAKY : NEM HENA
ZAVATRA ILAINA :
paty famososana nem efa vita
toto-kena
atody
olatra maina na hoe champignon
tongolo maintso
kotomila
dipoavatra
sakamalaho
menaka fanendasana
azo ampiana paty blanche (paty vita amin'ny vary) raha tiana
FIKARAKARANA AZY:
Alona rano mangotraka ny olatra maina rehefa voasasa tsara ary tetehana madinika dia afangaro miaraka amin'ny toto-kena, tongolo maintso sy kotomila efa voatetika madinika avokoa,
raha asiana paty blanche dia ampangotrahana kely izany dia tsihifina ary tetehina ihany koa, asiana dipoavatra sy sakamalaho voatoto kely dia nafangaro daholo ary asiana sira.
Alaina ny fonosana nem dia asiana sesika ary endasina amin'ny menaka mafana ka rehefa vita dia atsika tsara aloha vao aroso.
Eto moa naroso niaraka tamin'ny lasary kokombra voakiky izay azo jerena ato ny fanamboarana azy
mazotoa o
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire