By Andry Rakotomavo
Crispy chicken
LAOKA NA TSAKITSAKY : AKOHO MIKAREPOKA (CRISPY CHICKEN)
ZAVATRA ILAINA
akoho izay tianao (ny ahy eto elany)
Sira
dipoavatra
ketchup (na chili sauce raha tia masiaka)
lafarina
yaourt nature
FIKARAKARANA AZY
- Mampangotraka rano asiana sira ; rehefa mangotraka dia alana ambony afo ary arotsaka ao ilay akoho.
- Alaina ny "yaourt nature" asiana sira sy dipoavatra ary ketchup kely na "chili sauce" raha tia masiaka.
- Atao amin'ny lovia ny lafarina, asiana sira.
- Alana anaty rano ny akoho, tsihifina, arotsaka anaty yaourt avy eo anaty lafarina.
- Mandritr'izany, efa atao mafana ny menaka hanendasana azy , rehefa masaka mena tsara dia apetraka ambony "essuit tout " mba hitsika tsara ny menaka dia aroso
Mazoto homana o !
nahandron'i Nalitiana Tiana
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire