By Andry Rakotomavo
Cake aux olives et jambon
Miarahaba o
ODY AM-BAVA FO na SAKAFO FENO : CAKE AUX OLIVES ET JAMBON
Tsotra kely indray ity , sady azo atao goûter no afaka atao sakafo.
ZAVATRA ILAINA
- lafarinina 150g
- jambon 200g
- oliva100g. Mainty ny nampiasaiko fa mety koa na maitso aza
- atody 3
- fromazy voakiky 70g
- ronono 10cl
- lalovay simika 11g
- menaka 1 sotro fihinana
FIKARAKARANA AZY:
Tetehina ny oliva sy ny jambon
Afangaro ny lafarinina sy ny atody
Arotsaka avy eo ny ronono sy ny menaka
Rehefa mifangaro ireo dia atao ao ihany koa ny jambon, oliva ary ny fromazy voakiky
Arotsaka farany ny lalovay. Atao mifangaro tsara
Atao anaty moule efa nosorana dibera ary anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ka 180° mandritra ny 45 minitra eo dia masaka
Azo aroso amin'ny lasary atao ody am-bava fo na sakafo mahaleo tena
Mazotoa homana tompoko ô
Nahandron' i Murielle Rafiringa Rakotoharintsifa
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire