By Andry Rakotomavo
Elatr'akoho laqué pané
TSAKITSAKY na LAOKA: AILS DE POULET LAQUE PANE - ELATR'AKOHO
ZAVATRA ILAINA:
elatr'akoho izay sahaza (eto 1 kg)
tongologasy voatoto 1 sotro fihinana
sakamalaho 1 sotro kely fihinana
tantely 2 sotro fihinana ( azo atao siramamy)
saosy soja masira 3 sotro fihinana
saosy soja mamy 2 sotro fihinana (tsy voatery fa ampitomboy fotsiny ny tantely)
sira 1 sotro kely
atody 2
lafarina
chapelure na potimofo na potika biscotte (chapelure eto)
menaka fanendasana
FIKARAKARANA AZY:
- rehefa voadio sy vokarakara ny elatr'akoho dia sarahana ilay fehikely sy ilay lavalava iny
- lomana tongologasy, sakamalaho, saosy soja mamy sy masira, tantely, sira mandra-pihinana
- maka lovia telo misy ny atody voakapoka, ny chapelure , toy izay koa ny lafarina ,
- raisina tsirairay ny elatr'akoho efa voakarakara teo, dia apandalovina anaty ilay lafarina, avy eo anaty atody izay vao chapelure
- endasina ami'ny menaka mafana sy afo malefaka
- atsika tsara ambony "sopalin na essui tout" rehefa masaka mba hiala ny menaka.
mazotoa ho an'izay makafy
Nahandro sy sarin'i Rasoa Tia Mahandro - 04.09.17
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire