By Andry Rakotomavo
Salady farro
SAKAFO VEGETARIEN : LASARY LEGIOMA SY FARRO - SALADE DE FARRO
ZAVATRA ILAINA
- farro (efa masaka)
- korzety
- tongolo be
- paoma maintso
- konkombra
- voaloboka maina 2 sotro
- menaka soja
- menaka oliva
FIKARAKARANA AZY
- Sasana tsara ny farro dia andrahoina toy ny mahandro vary ka efa mangotraka io vao arotsaka toy ny mahandro vary ihany. Rehefa mangotraka fanindroany dia ahena ny afo ary avela hitanika eo mandrapalemy azy. Afaka atao betsaka dia ampidirina anaty "congelateur" dia mamoaka fotsiny rehefa mila amin'ny manaraka.
- sasana ary tetehana madinika ny konkombra, kikisana ny karoty sy izay tiana atao fangaron'ny salady,
- tetehana fisaka manify kosa ny poma maintso
- afangaro avokoa ny rehetra dia asiana saosy soja sy voaloboka maina dia andramana azo aroso
Azo ovaina vary ihany koa ny Farro
Nahandron’i Tiana Parlato 19/09/2017
Mazotoa hatrany o
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire