By Andry Rakotomavo
Galette de soja
Soumis par andry le jeu, 11/16/2017 - 19:49
1072
GOUTER NA LAOKA : GALETTE DE SOJA
ZAVATRA ILAINA:
Faikana soja avy nanaovana ronono,
zavamanitra : tongolo maitso, persila, curcuma, dipoavatra,
sira,
lafarina kelikely
menaka fanendasana
FIKARAKARANA AZY:
Maka bol dia atambatra ao avokoa ny faikana soja, tongolo maitso sy persila voatetika madinika, curcuma, dipoavatra, sira, ary asiana lafarina kelikely mba
hampitambatra azy.
Afanaina ny menaka kelikely amin'ny lapoaly, dia endasina rehefa menafify dia esorina ary atsika tsara ny menaka.
FANAMARIHANA:
Azo asiana atody ihany koa raha tiana
Tsy misy very ny soja, sady mahazo ronono no mahazo laoka, tena natsiro.
Mazotoa o
Nahandro sy sarin'i Stella Yolande Hokowa 16.11.2017
Ingrédients:
Catégorie:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire