By Andry Rakotomavo
Salady legioma
SALADY LEGIOMA - SALADE DE LEGUMES : samy tsara sady mora atao ireto roa ireto
1. SALADY SAKAIBE
ZAVATRA ILAINA :
sakaibe na poivron
menaka oliva sy vinaingitra na voasary makirana hanaovana vinaigrette
persila
cumin
sira
Azo asiana dipoavatra raha tiana
FIKARAKARANA AZY:
- atono ambony fanantonoan-kena dia avadibadika rehefa lasa mainty tsara dia esorina, ary vao vita dia dia esorina moramora ny hodiny sy ny voany.
- tetehana lavalava ary nasina vinaigrette sy persil ary cumin.
2.SALADY KAROTIN-TSOAVALY – SALADE FENOUIL
ZAVATRA ILAINA:
Karotin-tsoavaly
Paoma
voasary makirana
Sira
FIKARAKARANA AZY:
sasana tsara dia kikisana daholo ny paoma sy ny caroti-tsoavaly
Asiana ranomboasary makirana sy sira avy eo
Azo ampiana izay tiana rehetra na menaka na zava-maintso
Mazotoa indray o
Nahandro sy sarin’i Andomamy Rakotondrasoa 21.01.18
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire